Miteraka olana ny fanoratana ny tany amin’ny olom-bitsy

19 octobre 2022 Rasoa

Mandry tsy lavo loha ny mponina ao amin’ny fokontany Apangabe Disitirikan’Ambohitratrimo, tanin’ny fokonolona ao an-toerana no lasa nisoratra tamin’ny olon-tokana. Hany ka nampisavorovoro ny fokonolona izany. Satria nihevitra ireo taranaka taty aoriana fa azy ireo ny tany satria misoratra amin’ny Ray aman-drenin’izy ireo.
Araka ny nambaran’ny fokonolona, tany teo ampelatanan’ny voanjo izy io tany aloha. Ary taty aoriana, nisy ny fanamaintisa-molaly nataon’ny fokonolona. Ary nifanaraka ny fokonolona tamin’ny fifanarahana am-bava fa am-pahany amin’ny fokonolona izay mahay taratasy no hanoratana ny tany. Ary olona 16 no nanoratana ny tany iray manontolo.Ka izany no nahatonga ny olana, satria ny taranak’ilay olona misoratra amin’ny tany mihevitra fa tompon’ny tany rehetra. Ka manana eritreritra handroaka ireo fokonolona. Ny tany ao Ampangabe dia midadasika sady toeram-pambolena mamokatra tsara. Mety ho maro amintsika vahoaka malagasy no miaina endri-javatra tahaka izany, kanefa mety hiteraka fanalana anao eo amin’ny taninao.

Voalazan’ny Lalàna
Araka ny voalazan’ny lalàna, ny tany misy titra dia tany misy olona heverina tompony. Ary izay olona misoratra aminy no heverina fa tompony, ka arovan’ny lalàna. Ary raha sanatria maty ilay olona misoratra amin’ilay tany dia nitaranany indray no afaka manana fahefana feno amin’ilay tany.
Misy ihany kosa anefa ny zo amin’ny fanamaintsisamolaly araka ny fepetra izay voalazan’ny lalàna. Ary afaka mangataka izany zo izany eny anivon’ny fitsarana ilay olona nanamainty molaly amin’ny alalan’ny «prescription acquisitive». Izany dia misy pitsopitsony tsy maintsy arahina. Anisan’izany ny fipetrahanao eo amin’ilay tany nefa tsy misy manakotaba. Mandritra ny 20 taona farafahakeliny. Ary ianao mihitsy no mipetraka na mamboly eo amin’ilay toerana. Ary rehefa feno izay fepetra izay dia entina eny anivon’ny fitsarana. Ary misy vaomiera mandeha ifotony manamarina izany. Ary rehefa feno ny fepetra, omen’ny fanjakana an’ilay olona nanajary ny tany.
Kanefa raha hadinonao na tsy natao ny fangatahana ilay tany na efa mihoatra ny 20 taona aza nipetrahanao teo amin’ny tany iray. Sahala amin’ny mbola tsy anao ilay tany.

Olana amin’ny fanoratana ny tany amin’ny olon-tokana na vitsivitsy
Araky ny lalàna dia izay misoratra amin’ny tany no heverina fa tompony. Kanefa misy ny atao hoe ordre publique. Ka rehefa voakitikitika io ordre publique io, dia mety hampiatoana ohatra ilay didy fandroahana ny vahoaka. Satria ho sarotra ny handroaka olona aman’arivony sady misy trano, fiangonana, tanimbary, fasana sy ny maro hafa. Ny fitsarana no mahita sy manatanteraka izay fanapahan-kevitra tokony harahina amin’izany. Ny fitsarana manko dia mitsara araky ny lalàna, kanefa dia mitsara araky ny rariny ihany koa.
Eny amin’ny fitsarana, ny ady tany dia ady madio. Izany hoe, ny taratasy no tsy maintsy porofo entina eto. Misy ve ny porofo nifanarahana ara-taratasy tamin’izany fotoana hoe nosoratana tamin’ny olona vitsivitsy ny tany ? Avy eo, ilaina fanamafisana izany amin’ny fijoroana vavolombelona eny amin’ny fitsarana.
Ka eto dia manana ny zo ilay tompon-tany, ary manana ny zony ihany koa ilay fokonolona nanamainty molaly. Heverina fa tompon’ny tany ilay olona manana titra eto. Kanefa kosa raha misy ahafahana manaporofo fa tsy azy irery na tsy azy mihintsy ilay tany dia azo atao ny mitondra izany eny amin’ny fitsarana. Ary araka ny fantatra dia tany be velarana ilay misy olana. Ary tsy ilay olona heverina fa tompon’ny tany no mamboly eo amin’ilay tany. Ny lalàna dia milaza fa raha misy tany mihoatra ny 5 hekitara amin’ny toerana ambanivohitra ary mihoatra ny 10 ara kosa raha andrenivohitra, kanefa tsy vitan’ilay tompony fanamaintisa-molaly mandritra ny dimy taona misesy dia azon’ny fanjakana alaina ilay tany. Ary azon’ilay olona nanamainty molaly angatahana izany avy eo.

Sakana eo amin’ny fampandrosoana
Ny tsy fisoratan’ny tany amin’ny olona iray dia mametraka azy ho tsy marin-toerana eo amin’ilay tany misy azy. Ary mitaintaina lalan-dava sy tsy ho sahy hifofotra firy amin’ny asa fameloman-tena, satria hiahiahy lalan-dava. Ary ho an’ity tranga nampahafantarina antsika ity dia olona aman’arivony no voatohitohina eto. Ary raha roahina eo amin’ny taniny anefa izy ireo dia ho tafiditra anaty fahantrana lalina. Ary ho vesatra ho an’ny firenena.
Tsy vitsy amin’ny faritra eto Madagasikara no misedra an’io karazana olana io eo amin’ny fananan-tany. Koa ho fisorohana izany, dia aza soratana amin’ny olona hafa mihitsy ny taninao, fa hiteraka olana goavana ho anao izany. Mandehana manao kara-tany eny amin’ny kaominina izay misy BIF. Na karakarao eny anivon’ny «Topo sy ny domaine» ny taninao. Ny fisoratan’ny taninao aminao no antoka iray hilazana fa tena ianao tokoa no heverina fa tompon’ilay tany.


Nome