Azo sorohina ny tsy fahampian-drano

19 octobre 2022 Rasoa

Paik’ady ho vahaolana eo amin’ny fihenan’ny rano fisotro ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro ankehitriny noho ny fahasimban’ny tontolo iainana.
Tsapa ho miha ritra ny tahirin-drano ao ambanin’ny tany, io tahirin-drano ao ambanin’ny tany io anefa no mampatanjaka ny loharano atsakantsika, eny fa na ny rano ho amin’ny fambolena ihany koa aza. Ateraky ny fahasimban’ny tontolo iainana ary dia tsapa fa mihena hatrany ny rotsak’orana. Tsy ampy ihany koa ny ranon’orana mitsika any ambanin’ny tany satria may ny zava-maniry izay mitazona ny riaka tsy hamantana ka hivarina avy hatrany any andrenirano. Ny fisian’ireo zavamaniry ireo sy ny ala mantsy no misakana ny ranon’orana ka ahafahany mitsika bebe kokoa any ambanin’ny tany. Vokatr’izany fahasimban’ny tontolo iainana izany dia mitohy tsy ankijanona ny fahasahiranana amin’ny tsy fahampian’ny rano. Toa tandindomin-doza hatramin’ny rano ho sotroina, idiovana sy anadiovana. Aza hadinoina anefa fa aina ny rano ka tsy tokony ho mandrimandry manana aretina isika manoloana ny zava-mitranga ankehitriny. Fa hoy ny fahendrena malagasy : «lahy tokana ny aina ka mila tandremana fatratra.» Ho fiarovana an’izany ary dia indro misy paik’ady tsotra azo tanterahana nefa ahitam-bokatra manoloana an’izany toe-javatra izany.

Voleo ny hazo
Voleo hazo ho fiarovana ireo sahandriaka mba hitazomana ny ranon’orana hitsika any ambanin’ny tany, tsy hamatana ka ho very avy hatrany any andrenirano. Aoka tsy ho hadinointsika fa zava-dehibe eo amin’ny fahabetsahan’ny rano any ambanin’ny tany ny fisian’ny zava-maniry. Io paik’ady iray io dia afaka hampatanjaka ny loharano fakana rano ho sotroina. Io ihany koa no hamelona indray ireo loharano izay efa ritra tanteraka ateraky ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fandripahana tsy am-piheverana ny ala ataontsika zanak’olombelona. Aza hadino anefa fa amin’ireny sahandriaka ireny dia tena mahery ny fikorisan’ny riaka amin’ny fotoanan’ny ranon’orana. Noho izany dia tena miteraka fahombiazana amin’ny fitehirizana ny rano hampiasana ny fanatanterahana io paik’ady fambolena hazo sy fiarovana ny tontolo iainana io. Ataovy ho fahazarana ary ny mamboly hazo isan-taona amin’ireny toerana ireny ary aza atao ambanin-javatra ny fanaraha-maso sy ny fiarovana azy mba hahazoam-bokatra tsara. Maro ny tombontsoa azo amin’izany fa ny tena misongadiny dia ny fitomboan’ny rotsak’orana izay hampatanjaka ny tahirin-drano. Tsara ho marihana fa any amin’ireo toerana be ala dia saika mando lalandava satria be rotsak’orana.
Tena zava-dehibe ihany koa ny fanatevenana ny ala sy fiarovana ny tontolo iainana. Raiso ho fomba fiasa izany. Ataovy ho zava-dehibe ny fiarovana, indrindra fa ny tsy fandorana ny tanety sy ny ala. Rehefa tsy tomombana ireo dia lasa mangadihady ny tanety ary mikorisa avy hatrany izay ranon’orana milatsaka ka mitondra ny antsanga any an-tanimbary sy any amin’ireo loharano fatsakana. Vetivety dia tonga ny tondra-drano ka miteraka fahasimbana maro samihafa. Fa ny tena loza dia ny tsy fisian’ny rano mitsika any ambanin’ny tany hamelona ireo loharano hampiasantsika. Koa hisorohana an’izany dia andeha ho hatevenina ny ala efa misy ary ho hamafisina ny teknika fiarovana ary atao toy ny fadin-drazana ny fandoroana ny tanety sy ny fandoroana ny ala. Amin’izay dia ho be ny rano hampiasana na hambolena fa indrindra ho amin’ny rano hosotroina, hidiovana ary hanadiovana.
Ny fanarahana ny tekinikam-pambolena amin’ireo toerana kisilasila ihany koa dia mametraka fiarovana mahomby ireo loharano ambany toerana ; ny fampiharana ny « courbe de niveau » dia miaro ny nofon-tany tsy ho kahon’ny riaka ka hanototra ny loharano izay fatsakana rano ho sotroina. Tsy vitan’ny hoe manototra ny loharano ihany fa manimba ny toeram-pambolena ihany koa, satria rehefa miala ny nofon-tany dia lasa ngazana tsy azo volena intsony ilay toeram-pambolena teo aloha. Noho izany dia raiso ho zava-dehibe ny fanarahana ireo teknikam-pambolena mba tsy hiatraika amin’ny rano ampiasanao ny voka-dratsy aterany ary hilamina tsara ihany koa ny toeram-pambolenao. Raha izany no tomombana dia hotsapantsika fa hirindra ny fiaraha_monina.
Ataovy ho fahazarana ihany koa ny fitsitsiana ny rano ampiasana ao an-trano. Fadio ny mandefa tsy ankijanona ny paompy rehefa misasa ianao fa mangalà izay ilanao dia iny no ampiasana mba tsy ho verivery fahatany ny rano. Hevero fa misy vidiny ny rano ka tsy tokony ho verivery foana. Toetra tsara tokony ho volena izany ary anabeazana ny ankohonana. Arovy izay mety hiteraka fahaverezana rano amin’ny fitaovana ampiasanao. Raha mpaompy no ampiasanao eny fa na any an-doharano no antsakana dia aoka mba tsy ny ankizy kely no ampangalana rano, tsy mbola mahatandrina izy ireny ka mety hanimba zavatra ary tsy hahatandrina ny fahadiovan’ny rano izay hampiasan’ny ankohonana ihany koa. Tsotra izany nefa ahitam-bokatra eo amin’ny fitsitsiana ny rano sy ho fikajiana ny fahadiovany. Miantoka ny fahavelomanao ny rano ka aoka tsy hatao ambanin-javatra ny fiarovana sy ny fikojakojana azy. Herezo ary fa hoy ny ntaolo : «Aleo maty apitso toy izay maty anio» .


Daniel VOTETA Ambositra