Mamboly Vetiver: Miaro ny tany amin’ny fikaohan’ny riaka

15 décembre 2022 Nomea Barivelo

Ankehitriny, tena ilaina ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana. Mandray anjara lehibe amin’izany ny sehatry ny fambolena. Miezaka mitady vahaolana eo amin’ny fampihenana ny fandripahana ny ala ankehitriny ny tekinisianina maro. Eo ihany koa ny fitomboan’ny herin’ny rano, ny tsy fahampian-drano amin’ny fotoana tsy fisian’ny orana. Ady tokony hatrehan’ny tantsaha ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany izay misy fiantraikany betsaka amin’ny asa famokarana.

Ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany manko dia mampihena ny velaran-tanin’ny tanimboly. Ka mampidina ny vokatra azo, satria very ihany koa ny tsiron’ny tany na mahazo orana ara-dalana aza. Izany dia vokatry ny habetsahan’ny tany lasan’ny riaka ka tsy voatazona intsony ny ranon’orana izay tokony hanamando sy hanatsara ny tanimboly.
Ny antony voalohany mahatonga ny firotsahan’ny tany sy ny fahalasan’ny tany be loatra dia ny fanafoanana ny zava-maniry misy eo aminy. Manampy trotraka ny tsy fanarahana ny tekinikam-pambolena toy ny fiononana amin’ny voly iray mandritra ny taona eo amin’ny tany iray. Izay mitarika amin’ny tsy fahazoana hamandoana tsara ho an’ny voly satria lasa mafy ny tany. Ary tokony hiroso amin’ny fifandimbiasam-boly ho fiarovana ny fahalasan’ny tany haingana.

Zava-maniry itazomana ny tany sy ny hamadoana ny vetiver
Efa maro ny zava-maniry nanaovana fanandramana hiarovana amin’ny fikaohan’ny riaka. Ary anisan’ny fomba mahomby indrindra ny fambolena ny Verobe. Tsara indrindra atao manodidina ny tanimboly ny verobe satria matevina no maharitra. Ny fakany manko dia mahery sady misandrahaka hatrany amin’ny 3 metatra ambanin’ny tany. Ka ireo fakany ireo dia mitambatra sy mitazona ny nofon-tany. Maniry amin’ny karazan-tany rehetra ny verobe ary mahatanty tany mivakivaky sy mitriatriatra. Kanefa mora ambolena, sy karakaraina ary azo esorina rehefa tsy ilaina.
Mampiavaka azy, maranitra ny raviny, ny fakany kosa manitra. Ka izany dia mampandositra ny voalavo sy ny bibilava ary ny biby hafa. Tsy mora andairan’ny aretina ny fakany sy ny raviny. Mahatanty ny tsy fisian-drano ela ny vetiver, ary maharitra ny rano mihandrona ela vao mitsika.
Tsy sarotra karakaraina ny fefy verobe no maharitra aman-taona. Tsy mitsiry ny voany raha latsaka amin’ny tany sady tsy manana faka mitarika ihany koa. Tsy mifaninana amin’ny voly arovany ny fefy vetiver. Ka izany no mahatonga azy ho tsy anisan’ny ahi-dratsy. Ny tsiriny dia milevina ambanin’ny tany ary tsy mahafaty azy ny afo sy ny firaofan’ny omby sy ny osy.
Rehefa miorina tsara ny fefy, dia tsy ho hanin’ny omby ny raviny amin’ny ankapobeny. Kanefa raha mbola tanora kosa izy dia mety ho tian’ny biby ihany kanefa izany dia tsy hanimba ny fotony. Kanefa efa misy ny karazany amin’ny verobe efa voatokana hatao vilona.
Koa noho ny faharetany, na hain-tany, na tondra-drano, na aretina, na biby, na afo, na zavatra hafa ahiana hanapotika azy dia mitsiry ihany izy ary mahaaro ny tany amin’ny oram-be. Arovy ary ny nofon-tany tsy ho kaohin’ny riaka ho fiarovana ny tontolo iainana tsy ho simba.


Nome