Resadresaka: BAVITOMBO Véronique, Tekinisianina momba ny fambolena SAFADIA

18 octobre 2022 Rasoa

Azonao ambara ve ny mombamomba anao sy ny ivon-toerana ikatrohanao?
BAVITOMBO Veronique, Tekinisianina momba ny fambolena ato amin’ny SAFADIA (Sahan’Asa Fampandrosoana ny Diosezy Antsiranana) izay sampana iray mijoro eo anivon’ny fiangonana Anglikana misahana ny fanabeazana sy ny fampandrosoana.

Inona ny lanjan’ny fanabeazana ny tanora eo amin’ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra ?
Any amin’ny tanora ny fahatanjahana ara-batana hoentina miasa. Mila famolavolana anefa izany hery izany mba ho azo ampiasaina amin’ny fampandrosona. Mbola malalaka ihany koa ny seha-pihariana any ambanivohitra ahafahan’ny tanora mivelatra.


Ahoana ny fiheveran’ny tanora ny asa maha tantsaha?
Heverin’ny tanora fa sazy ny asa maha tantsaha. Heverina ho tsy fidiny ny fipetrahana any ambanivohitra, natokana hoan’ireo izay tsy nahita hetsika hiakara an-tanan-dehibe. Hany ka ny efa zanaky ny tantsaha ihany no mahavita milofo amin’io asa io. Aleon’ny tanora lavitra ny mijanona tsy miasa fa mipetra-potsiny an-drenivohitra toy izay hitana angady.

Miovaova ny toetr’andro eto Madagasikara, inona no heverinao mahatonga an’izany ?
Eo ihany ilay teren’ny zava-misy (ohatra : midadasika loatra ny tanim-bary ka dorana mba hahafaingana ny asa fanadiovana), fa ny toe-tsaina mihitsy no voalohany manimba ny tontolo iainana. Ilay toe-tsaina mioty foana fa tsy mba manolo, ilay toe-tsaina tsy miraharaha ny zava-manan’aina hafa sy ny hoavy ary ilay toe-tsaina tsy mahay mikolokolo izay tsy nisasarana fa voa-janahary. Ka ny fahasimban’izany tontolo iainana izany no miteraka ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Inona ny tolo-kevitra harosonao?
Efa betsaka izay fambolen-kazo vita izay fa mbola tsy azo tsapain-tanana ny vokany. Mila ampiana ny fanaraha-maso sy fikolokoloana ireny hazo novolena ireny. Mba hatao mifanaraka amin’ny filàn’ilay hazo volena ny fotoana ambolena azy. Mila beazina ihany koa ny mpiara-belona mba hahay hikolokolo ny tenany sy ny zava-mana’aina rehetra manodidina azy.

Fambolena Bambou? Inona no ezaka ataon’ny ivon-toerana misy anareo ho fanapariahana azy?
Nanomboka ny Volana Martsa 2022 dia nisy fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny SAFADIA sy ny Graine de vie momba ny famolavolana tanin-janakazo ho fiomanana amin’ny taom-pambomben-kazo 2022-2023. Zanak’hazo dimy arivo (5000) no kasaina haparitaka amin’izany izay ahitana hazo fihinam-boa, hazo ala ary volobe.

Fifandraisana amin’ny BIMTT, manao ahoana ny hoaviny ?
Mitovy tanjona ny SAFADIA sy BIMTT eo amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Tanora no betsaka indrindra mikambana ato aminay. Anananay ny hery oenti-miasa fa ny traik’efa kosa dia mbola hiarahana amin’ny BIMTT mba ahafahana manohy ny ezaka rehetra efa vita. Azo antenaina araka izany ny fitohizan’ny fiaraha-miasa.

Inona no heverinao fa tetikady sahaza hahafahana misarika ny tanora hisehatra eny amin’ny tontolo ambanivohitra?
Voalohany indrindra, tokony hampitovina ny fisitrahana azon’ny tantsaha sy ny mpiasa rehetra aty an-drenivohitra. Ohatra fotsiny ny fahafahana manao ‘traite’ ana traktera: ny hamaroan’antontan-taratasy ilaina mba tokony hifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny mponina. Aiza no ananan’ny tanora tantsaha izany fanambarana kaonty amin’ny banky izany ? Firy amin’ny tantsaha no misitraka ny Cnaps ? Raha mitovy ny fomba fiahiana ny an-tanan-dehibe sy ambanivohitra dia voasarika hoazy ny tanora.
Efa betsaka ihany ireny toerana manofana tanora ireny nefa mila fampiasam-bola ny fanombohana asa any ambanivohitra (fividianana masom-boly, fitaovana sy ny maro hafa). Mila tohana ireny tanora ireny. Mba tohana mora sitrahina ihany koa fa tsy ny tanora rehetra no nahavita fianarana ka hitakiana mari-pahaizana ambony be.


Tantely